26.8.2014

Vita ny fahavaratra

Manomboka ny oniversite amin'ny rahampitso. Vita ny telo volana fa tsy nianatra aho. Nanao inona tamin'ny fahavaratra aho aty Finlandy?

Nangatsiaka be tamin'ny jona. Nisy orana be loatra sy +10-20 Celsius fotsiny. Nandeha nanao voyage kely izahay mieraka tamin'ny sipako. Nandeha tany Laponie (Lappi amin'ny teny finnois) izahay, tany Norvezy sy tany Sueda. Nahita ny Ranomasina Arctique tany avaratra. Nangatsiaka be ny rano!! Nisy masoandro foana tany satria fahavaratra. Tsy nisy alina fa mbola nisy oram-panala. Amin'ny sary 1,2 sy 3 afaka mahita ianareo.

Sary 1. Oram-panala tany Kilpisjärvi tamin'ny jona.

Sary 2. Ny Ranomasina Arctique tany Alta, Norvezy. 
Ny tendrombohitra tany Norvezy koa, tsy misy aty Finlandy.

Sary 3. Natory taty izahay. Ity sary ity tamin'ny 11 alina. Masoandro foana!

Tamin'ny jolay ny fiovana. Mafana loatra foana!! Nisy +30 Celsius isan'andro, tsy tsotra izany! Orana iray fotsiny tamin'ny jolay. Fa tsara be fa mafana! :D Afaka nanao zavatra be: nilomano, niazakazaka sns. Fa ny zavatra tsara kokoa: nisy mpamangy gasy taty!! Avy aty ny fianakavianako taiza nipetraka aho tany Madagasikara. Nandeha nijery ny tanana izahay, nihinana ny sakafo finlandais... nahafinaritra daholo! Faly be aho fa afaka niteny gasy koa. Wiiiiiiii :) Amin'ny sary 4 sy 5 afaka mahita kely ianareo. Fa tsy maintsy avy aty ianareo koa! Aza manadino les bourses any amin'ny présidence de l'université!!

Sary 4. Touristes be! Iza ny vazaha? Taty Helsinki.

Sary 5. Mafana loatra --> nandeha nanao kayak izahay! 
Ny Ranomasina Baltika ity.

Aogositra zao. Manomboka mangatsiaka kely. Avy ny orana koa. Mbola afaka mandeha bisikileta fa angamba tsy ela. Efa nandeha 360 km aho tamin'ny bisikileta tamin'ny fahavaratra! Tsy nila bus be. Tsy lafo sy ecologicale koa. Tsara! Misy lalana tsara ho amin'ny bisikileta aty Helsinki. Amin'ny alahady mandeha miazakazaka 10 km aho any "Helsinki Midnight Run". Misy olona 10 000 fa miazakazaka amin'ny io alina io.

Fa manomboka oniversite amin'ny rahampitso. Vita ny fahavaratra. Malahelo kely aho fa tsara manomboka mianatra koa! Mbola misy zavatra be fa tsy maintsy mianatra aho aty ;) Misaotra amin'ny daholo fa mamaky ity bilaogy ity!! Mazotoa nareo!

~ Nina


19.6.2014

Ny fifidianan'ny Vondrona Eoropeanina

Tamin'ny mey ny fifidianan'ny Vondrona Eoropeanina (VE). Taty Finlandy afaka nifidy izahay tamin'ny 14.-20.5.2014 sy 25.5.2014. Efa nahay izahay ny vokany tamin'ny alina 25.5. Te hanoratra kely aho amin'ny vokan'ny fifidianana. Mijery ny vokany aho aty Finlandy (sary 1) sy aty Vondrona Eoropeanina koa.



Sary 1. Finlandy sy Helsinki (ny renivohitra).
Ny vokan'ny Finlandy

Taty Finlandy nandeha nifidy 40,9% amin'ny olona ihany. Fa taty Helsinki (ny renivohitra ny Finlandy) 52,6% amin'ny olona nandeha. Misy olona 13 rehetra fa afaka mandeha any parlemanta'ny Vondrona Eoropeanina. 


Nandresy ny Kansallinen Kokoomus (Coalition Nationale, havanana izy ireo) sy faharoa ny Keskusta (Partie du Centre izy ireo). Misy olona telo sy telo fa mandeha any parlemanta. Ny Sosiaalidemokraatit (Parti social-démocrate) sy Perussuomalaiset ("Vrais finlandais") manana roa sy roa, ary Vihreät (Maitso), Suomen ruotsalainen kansanpuolue (Parti populaire suédois) sy Vasemmistoliitto (Parti gauche, havia) manana olona iray daholo.

Tsy misy vaovao betsaka amin'ny vokany, angamba nanao Perussuomalaiset ny tsara kokoa satria amin'ny 2009 nisy olona iray fotsiny. Nifidy amin'ny Maitso izaho, fa tsy nifidy aminy ny olona be dia be (Amin'ny 2009 nisy olona Maitso roa any parlemanta, zao iray fotsiny).

Ny vokan'ny Vondrona Eoropeanina rehetra
Sary 2. Ny parlemanta ny Vondrona Eoropeanina.


43,09% amin'ny olona daholo nandeha nifidy taty Vondrona Eoropeanina. Tsy betsaka, sa tsy ihany? Tany 28 izahay rehetra aty. Olona 751 afaka mandeha any parlemanta (sary 2). Any tany aiza misy mponina kokoa, afaka mandeha olona kokoa any parlemanta, ex. any Frantsa 74.  Ny fianjatoan'ny olona iza nandeha nifidy, ny tsara kokoa any Belzika sy Loksemborga (90%) satria tsy maintsy mandeha mifidy ny olona daholo any. Ny fianjatoana ny ratsy kokoa any Silaovakia, 13% fotsiny!!

PPE (Parti populaire européen) ny gropy ny lehibe kokoa any parlemanta  zao. Misy olona 221 any. Ny gropy faharoa S&D (socialistes et démocrates), miaraka amin'ny olona 191. Amin'ny sary 3 misy ny vokany daholo. Azafady tsy misy amin'ny teny gasy! 

Sary 3.  Ny vokan'ny fifidianan'ny Vondrona Eoropeanina.
Fa inona no vaovao any aminy ity vokany ity? Nisy olona betsaka fa nifidy tamin'ny gropy iza tsy tia ny Vondrona Eoropeanina betsaka. Fa mbola misy olona kokoa fa mieritreritra fa tsara be ny VE. Za koa, te hipetraka aty Eoropa aiza miasa izahay rehetra. 

~ Nina

Sary 4. Ny saina ny Vondrona Eoropeanina.



29.4.2014

Efa iray volana aty

Manahoana daholo!

Efa nanao zavatra be dia be aty izaho. Mbola tsy mianatra fa amin'ny roa herinandro misy fianarana iray aiza handeha aho. Ny anaran'ny fianarana "Moyen-Orient amin'ny sistema globaly". Miteny finnois izahay amin'ny fianarana. Efa nanomboka namaky ny boky amin'ny fianarana, satria 600 pejy ny boky (sary 1). Amin'ny teny anglisy ny boky, fa tsy maninona satria mahasondriana be!

Sary 1. Tsy maintsy mamaky ireo boky ireo amin'ny oniversite.

Avy ny lohataona koa, mahafinaritra mahita ny ravina amin'ny hazo daholo (sary 2). Tsy mangatsiaka loatra zao, anelanelany 10-15 Celsius! Rahampitso misy fety 1. mey, manaraka manoratra kokoa izaho. :)

Sary 2. Efa afaka mahita ny ravina kely!

Nanao fety malagasy koa mieraka amin'ny mpianatra jeografia (sary 3). Nahandro vary sy loaka sy mofo akondro aho!! Nahafinaritra ny fety sy nihaino mozika malagasy be dia be izahay. 

Sary 3. Ny fanomanana ho amin'ny fety gasy.

Malahelo foana amin'ny Madagasikara!! Afaka manoratra ve ianareo sy angamba avy aty? :) 

~ Nina

5.4.2014

Malahelo sy faly

Manahoana daholo! :)

Efa herinandro iray aty Finlandy aho, mbola hafahafa be. Ny eritreritra voalohany aty: "Aiza ny olona daholo?!" Malalaka be rehefa nandeha aho taty Helsinki sy tany Tuusula (sary 1 sy 2). Mangatsiaka be koa, fa avy ny lohatoana sy fahavaratra soa ihany. Efa tsis oram-panala, kelykely fotsiny (sary 3)!

Sary 1. Malalaka loatra aty Helsinki. Tena tsis olona! 

Sary 2. Tany Tuusula (30 km mianavaratra amin'i Helsinki), nandeha niazakazaka aho. Tsis olona, tsis oram-panala koa. Mbola tsy maitso ny tany, satria lohataona zao.

Sary 3. Nahita ny oram-panala aho fa kely fotsiny! :D

Malahelo be amin'ny Madagasikara satria any ny namako gasy daholo... Tsy mahay miteny malagasy sa frantsay ny olona eto Finlandy, matahoatra fa manadino izaho koa! Nanomboka nanoratra blog aho amin'ny teny gasy, satria tsy te hanadino. Angamba misy fahadisoana be fa tsy maninona, ary afaka mananatra ianareo ;)

Fa misy zavatra tsara koa aty Finlandy, faly be izaho satria efa nandeha tongotra be aho sy nisy fiara be dia be fa nampijanona rehefa niampita ny lalana izaho!  Efa nandehandeha aho tany tamin'ny ala koa sy tiako be: nahafinaritra fa tsis faika be sy malalaka tsara (afaka nieritreritra sy nandendeha tokana aho sy mangina be).

Veloma mandrapihaona!

~ Nina