11.9.2016

Mitantara Sarah ahoana ny fiainana aty Helsinki

Ny volana Janoary 2016 aho no tonga teto Helsinki. Sahirankirana aho tany am boalohany satria avy hatrany dia notsenanin’ny hatsiaka sy ny andro maizina dia tena namolaka be mihitsy. Rehefa nandeha teny anefa ny fotoana dia zatra teny ihany e :) Niara nipetraka tamin’ny ankizy mpianatra hafa aho izay teratany Bresiliana. Nahafinaritra ny fiaraha moninay na dia maro aza no misedra olona eo amin’izy io noho ny fomba amam-panao izay samy manana ny azy sy ny “feeling” izay tsy voatery hitovy. Fianarana koa anefa ny fiainana ka dia manao izay marimaritra iraisana hatrany rehefa misy ny tsy fitovian kevitra.


Ny nahafinaritra ahy...

Tena milamina ny fiainana ao Helsinki na dia lafo aza! Tsy dia misy rotoroto loatra na eo amin’ny resaka fitaterana na eo amin’ny resaka fianarana. Ny tanàna sady madio no milamina, tsy mampitaintaina ny mandeha eny amin’ny arabe na atoandro na alina ary io no tena anisany naha tàmana ahy ;-), ny fandriam-pahalemana.

Ny Finlandais dia olona tsotra ary “sincère”. Manana fiainana mitokatokana zareo fa nefa rehefa mila fanampiana ianao dia tena manampy izy ireo.

Mahafinatra ihany koa ilay antsoina hoe “sauna” na dia natahotra kely ihany aza tany am boalohany :) 

Mahafinaritra ilay mahafantatra sy minamana amin’ny ankizy avy amin’ny firenena samy hafa. Nanana namana bresiliana, italiana, koreana, sinoa ary finlandais aho nanodidina ahy. Mahavariana ny maheno azy ireo mitantara ny kolontsaina sy ny fomba amam panaony avy.

Momba ny fianarana...

Mahafinaritra ny fomba fampianarana tao amin’ny Oniversite an’ny Helsinki. Nanamarika ahy loatra ny tena fandraisan’andraikitry ny mpampianatra rehefa tojo olana ny mpianatra, hita avy hatrany hoe tena manana antso ho amin’izany izy ireo satria tena tsy mikely soroka manampy rehefa misy zavatra tsy azo eo amin’ny lesona na olana eo amin’ny resaka fianarana, tena azo ifampiresahana tsara. Ny resaka “documentation” sy ny aterineto dia tena manampy betsaka amin’ny fianarana ihany koa. Afaka mampiasa izany avokoa ny mpianatra rehetra.

Ireo nanahirana ahy...

Voalohany, somary sahirana aho teo amin’ny resaka sakafo satria tsy dia tiako loatra ny sakafo teo an toerana. Rehefa te hanova sakafo dia mandeha any amin’ny unicafe izay trano fisakafoanana an’ny oniversite.

Ny ankabeazan’ny zavatra atao dia efa ilay hoe “en ligne” avokoa. Tena manampy ilay izy amin’ny lafiny iray fa indraindray mankaleo satria toa lasa tsy miaina natoraly intsony ny olombelona fa voafatotry ny teknolojia.

Fianarana hoy aho ny fiainana, ka na dia nisy aza ny zava tsarotra nanahirana dia manefy ho amin’ny ho avy avokoa ireny rehetra ireny ary mampitombo fahalalana sy fahamatorana...!


Kiitos Nina :)