29.4.2014

Efa iray volana aty

Manahoana daholo!

Efa nanao zavatra be dia be aty izaho. Mbola tsy mianatra fa amin'ny roa herinandro misy fianarana iray aiza handeha aho. Ny anaran'ny fianarana "Moyen-Orient amin'ny sistema globaly". Miteny finnois izahay amin'ny fianarana. Efa nanomboka namaky ny boky amin'ny fianarana, satria 600 pejy ny boky (sary 1). Amin'ny teny anglisy ny boky, fa tsy maninona satria mahasondriana be!

Sary 1. Tsy maintsy mamaky ireo boky ireo amin'ny oniversite.

Avy ny lohataona koa, mahafinaritra mahita ny ravina amin'ny hazo daholo (sary 2). Tsy mangatsiaka loatra zao, anelanelany 10-15 Celsius! Rahampitso misy fety 1. mey, manaraka manoratra kokoa izaho. :)

Sary 2. Efa afaka mahita ny ravina kely!

Nanao fety malagasy koa mieraka amin'ny mpianatra jeografia (sary 3). Nahandro vary sy loaka sy mofo akondro aho!! Nahafinaritra ny fety sy nihaino mozika malagasy be dia be izahay. 

Sary 3. Ny fanomanana ho amin'ny fety gasy.

Malahelo foana amin'ny Madagasikara!! Afaka manoratra ve ianareo sy angamba avy aty? :) 

~ Nina

5.4.2014

Malahelo sy faly

Manahoana daholo! :)

Efa herinandro iray aty Finlandy aho, mbola hafahafa be. Ny eritreritra voalohany aty: "Aiza ny olona daholo?!" Malalaka be rehefa nandeha aho taty Helsinki sy tany Tuusula (sary 1 sy 2). Mangatsiaka be koa, fa avy ny lohatoana sy fahavaratra soa ihany. Efa tsis oram-panala, kelykely fotsiny (sary 3)!

Sary 1. Malalaka loatra aty Helsinki. Tena tsis olona! 

Sary 2. Tany Tuusula (30 km mianavaratra amin'i Helsinki), nandeha niazakazaka aho. Tsis olona, tsis oram-panala koa. Mbola tsy maitso ny tany, satria lohataona zao.

Sary 3. Nahita ny oram-panala aho fa kely fotsiny! :D

Malahelo be amin'ny Madagasikara satria any ny namako gasy daholo... Tsy mahay miteny malagasy sa frantsay ny olona eto Finlandy, matahoatra fa manadino izaho koa! Nanomboka nanoratra blog aho amin'ny teny gasy, satria tsy te hanadino. Angamba misy fahadisoana be fa tsy maninona, ary afaka mananatra ianareo ;)

Fa misy zavatra tsara koa aty Finlandy, faly be izaho satria efa nandeha tongotra be aho sy nisy fiara be dia be fa nampijanona rehefa niampita ny lalana izaho!  Efa nandehandeha aho tany tamin'ny ala koa sy tiako be: nahafinaritra fa tsis faika be sy malalaka tsara (afaka nieritreritra sy nandendeha tokana aho sy mangina be).

Veloma mandrapihaona!

~ Nina