31.1.2016

Mpianatra gasy taty Helsinki

Manahoana daholo ny any Madagasikara!

Aty aho aty Helsinki! Ity misy interview kely miaraka amin'ny mpianatra gasy.  Nianatra efatra volana aty i Narindra. Mahafinaritra be! :) 


Fa maninona no avy mianatra aty Finlandy ianao?

"Tonga mandrato fianarana aty aho satria malaza eran-tany Finlandy amin’ny resaka fintantanana ny ala sy ny zavaboary. Malaza iany koa fa ny universitén’i finlandy dia manolotra fianarana tsara kalitao sady feno hoan’ny mpianatra, ka mba te hahita sy hianatra ary hahazo tombotsoa amin’izany ny tenako mba entina hampandroso an’i Madagasikara."

Ahoana ny fianarana any Oniversiten’i Helsinki?

"Mahafinaritra ny mianatra ao amin’ny oniversitén’i Helsinki, ny mpampianatra mahay mampianatra, sady tsotra no mora ifanakalozana. Manarak’izany ny fitaovana ianarana ao koa tena raitra daholo ka tena manamora ny fianarana."

Aiza no mipetraka ianao? Ahoana ny trano?

"Ato amin’ny tranon’ny mpianatra eto Kamppi (aty am ville), adiresy Pohjoinen Rautatienkatu 29 A 315 ao no mipetraka, ny trano aloha antonony ny habeny e! fa tokony nisaraka ny trano fatoriana!"

Tsara ve ny sakafo? Mihinana inona?

"Ny sakafo aloha tena manahirana e, tsy hoe ratsy fa mety tsy mahazatra angamba e, mihinambary ihany matetika de asiana légume na trondro na hena tsindraindray, lafo be ny trondro sy hena aty Helsinki!"

Ahoana ny olona finlandais? Ary ny teny finnois?

"Ny finlandais aloha olona tsy be resaka e, raha tsy oe mamo, sady otran’ny tsy de tia tabataba ny fahitako azy, tia mitokatokana iany koa, nefa refa tena minamana aminy ianao tena mahafinaritra sady tsotra ry zareo. Nianatra teny finnois ihany aho fa saingy tena sarotra aloha ilay izy fa lainga lainga e, mba rehefa mahay kely dia efa mankasitraka e!"

Ahoana ny fiainana aty Finlandy? Misy zavatra hafahafa ve be?

"Ny fiainana amin’ny ankapobeny aloha milamina e, fa raha ny oe vidimpiaianana ndray dia tena faran’izay lafo. Ny zavatra hafahafa itako aloha dia ny fanaovana Sauna miaraka amin’ny fianakaviana e, itako somary hafahafa, eny e, mety amin’ilay kolontsaina tsy mitovy ngamba e!"

Mbola misy zavatra hafa tianao lazaina fa te hiteny ianao?

"Mahafinaritra i Helsinki, ny  Université koa tena raitra, ny mpianatra sy ny mpampianatra mahafinaritra, ny fiainana sy ny fianarana tsotra sady mahafinaritra no milamina, koa manentana ny mpianatra eran-tany fa indrindra ny malagasy mba hoavy andrato fianarana aty Helsinki, Finlandy.

Mankasitraka anao Nina."


Wohoo! Misaotra betsaka aminao, Narindra! :)

Ei kommentteja:

Lähetä kommentti