23.12.2017

Ny fiainako tany Helsinki!

Mpanoratra: Estelle Raveloaritiana


"Iray taona lasa izay no tany Helsinki aho nianatra nandritr’ny efa-bolana. Faran’ny volana Aogositra aho no tonga tany. Roa vavy izahay no niara-nandeha tanya ry nanorana ny andro tamin’ny nahatonganay sady somary nangatsiaka raha nohoarina ny aty Madagascar.


Ny zavatra tiako tany?
Tiako daholo ny zavatra rehetra any Helsinki. Ny olona mahay mandray daholo. Ny tanana madio. Ny tena nahavariana ahy tanim’ny volohany ny ravinkazo izy niova lasa mavo sy mena daholo ny lokony. Nahavarina ahy sy tiako ireny indrindra rehefa mandeha fiara fitaterana iombonana.


Ny fiainana amin’ ankapobeny ve?
Tena nahafinaritra ny tany. Maro ny vahiny  tahaka ahy tany ary saika olona avy maneran’izao ntontolo izao. Ny fifanakalozana sy fampahafantarana ny zavatra misy avy any amin’ny toerana niaviny avy dia nahafinaritra sy nahafantarana zavatra betsaka.


Ny fianarana?
Ny fianarana tany amin’ny oniversite an’I Helsinki dia tena nahafinaritra. Nahafantarako zavatra be dia be ary nahafahako nifanakalo traikefa tamin’ny olona avy amin’ny firenena maro. Tena nanampy ahy betsaka tany nisafidy ny izay zavatra tena tiako ho lalinina any aoriana sy amin’izao fotoana izao.



Ahona no nianana an’ilay hoe lavitra ny tanindrazana sy fianakavina?
Ny lavitra fianakaviana dia somary nanosarotra kely. Fa nifantoka tsara tamin’ny fianarana tsara aho dia lasa tsy dia nalahelo ny havana sy ny namana taty Madagascar.

Hafatra: mampirosika ireo zandry aho tsy hatahotra ny handeha hianatra lavitra fa ahazahoana tombony betsaka. Tsara ny any Finland ary tsy ananenana ny mankany. Manentana ny mpianatra hanao an’ilay exchange program fa mahasoa be."







Misaotra betsaka i Estelle fa nanotra aty amin'ny bilaogiko! <3




Ei kommentteja:

Lähetä kommentti